Tsy matahotra tany efitra sy devoly maka fanahy ny Fanahy Masina nomena antsika

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Tsy matahotra tany efitra sy devoly maka fanahy ny Fanahy Masina nomena antsika
""Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina ..., ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'ny devoly fanahy...""
✨Méditation :
Hafahafa ihany izany! Tokony ho any amin'ny toerana mahafinaritra misy anjely manodidina miaro no itondran'ny Fanahy!
Irahina hitondra famonjena tahaka an'i Jesoa koa isika. Miaramila tsaran'i Kristy! Aiza no anirahana ny miaramila? Hatoritory eo am-pandriana sa haka rivotra eny amoron-dranomasina? Tsia any amin'ny toerana miadyve ? Fanahy mahery no nomena anao, aza matahotra ny tany efitra sy ny devoly maka fanahy.
Mombamomba
7 mai 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor