Te hihavana amin'ny olona rehetra ianao nefa tsy te hanao ny fanaony?

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Te hihavana amin'ny olona rehetra ianao nefa tsy te hanao ny fanaony?
""... fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.""
✨ Méditation
Inona no hotenenina? Inona no atao? Tahaka ny jiro mirehitra manazava ny manodidina ianao satria Jesoa Ilay fahazavan'izao tontolo izao no ao anatinao. Halan'izao tontolo izao ianao, toheriny satria maro no mbola tehitoetra ao amin'ny maizina. Manomboka ao amin'ny ankohonana, ny toeram-piasana, ny fiaraha-monina, hatrany am-piangonana aza.
Te hihavana amin'ny olona rehetra ianao nefa tsy te hanao ny fanaony? Aza manahy, aoka hofenoina ny Fanahy mandrakariva ianao, dia mahetraka ao am-bavana ny teny tokony hambara Izy.
Mahereza!
Mombamomba
11 mai 2025
8 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor