Mampiteny ny moana ny Fanahy Masina

Thème du mois : Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo
Mampiteny ny moana ny Fanahy Masina
""Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany ..""
✨ Meditation
Marina ara-bakiteny tamin'i Zakaria izany. Lasa moana noho ny tsy finoana izy. Teraka ihany i Jaona Mpanao batisa na dia efa antitra aza Zakaria sy Elisabeta. Izay vao nino, nisokatra ny vavany ka naminany izy.
Avelao hamelona ny finoanao ny Fanahy Masina. Raha hino ianao dia hohitanao ny voninahitr' Andriamanitra, ho tanteraka ny teny fikasana nomaniny ho anao. "Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao." - Lioka 1:45
Mombamomba
1 mai 2025
8 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor