Mampahiratra ny masom-panahinao ny Fanahy Masina

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Mampahiratra ny masom-panahinao ny Fanahy Masina
""Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano""
✨Méditation
Nahita ny voninahitr' Andriamanitra Ezekiela rehefa nanainga azy ny Fanahy. "Jehovah, Tompon'ny maro no efa hitan'ny masoko" hoy Isaia, nahita ny voninahitr' Andriamanitra tao amin'ny tempoly koa izy talohan'ny nanombohany ny asany (Isaia 1:6)
Rehefa kivy tanteraka noho ny fikomian'ny Zanak'Israely Mosesy dia hoy izy tamin' Andriamanitra "Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao;..." - Eksodosy 33:18-19
Ny fahalalantsika ny fahatsaran' Andriamanitra no hahatanterahantsika zava-dehibe ho Azy.
Mombamomba
4 mai 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor