Tonga Kristy Jesoa mba hanananao fiainana, fiainana be dia be
Jaona 10:10 MG1865"Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo"
KOLOSIANA 3:4 MG1865
Ny endriky ny iraka tanterahinay :
Fotoambavaka mivantana, isaky ny alakamisy amin'ny 08 ora alina (ora Madagasikara), live Zoom. Tongava hifampahery.
Fanompoam-pivavahana isaky ny Sabotsy maraina amin'ny 04h45, ary ny alahady amin'ny 10 ora maraina ao amin'ny RVM 108 FM.
''Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be'' (Jaona 10:10b), ho fiainantsika isan'andro tokoa anie Kristy
Misy ankizy maro avy amin'ny ankohonana latsaka an-katerena; eny amoron-dalana, mangataka, mitsindroka eny amin'ny fako ...
Lahatsoratra fandalinana ny tenin'Andriamanitra sy fampianarana samihafa ho fampiorenana ny finoana.
Fitoriana ny Filazantsara amin'ny faritra mitokana sy saro-dalana eto Madagasikara

Iza moa ilay anaovanao ny vavaka fangatahana? Ilay Andriamanitra manana ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay! Rehefa vita ny vavaka dia misy fahatokiana fahazoana antoka ao anaty. Fanehoana fanandratana an' Andriamanitra sy fanetretena io famaranana vavaka io.
Tandremo tsara ary sao dia olombelona na olona efa maty na vola na fitaovam-piadiana na ny tenanao ihany no omenao ny fanjakana sy hery ary voninahitra.
Vavaka:
Na inona na inona mahery, ambony sy malaza dia tolotray ho Anao irery ihany ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra. Amen
5 juin 2026
55 vues
1 min
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman